Savaranonando

Sunday, April 19, 2009

Miarahaba anareo mpamaky!!!

Ity rakitsoratra [blaogy] ity dia natao hanehoana sy hamakafakana hevitra momba ny fahendrena sy ny fiarahamonina malagasy. Tsotra ny antony satria hita fa miha very sy adinodino tsikelikely izany atao hoe "nentim-paharazana" na "sivilizasiona" malagasy izany amin'izao vanim-potoanan'ny fanontoloana sy teknolojia izao.Koa rariny angamba raha nosokafana ity blaogy ity mba hitehirizana ny fomba fisainana tena malagasy. Indrindra indrindra fa hamakafakana sy hamoaboasana ny tena hevi-dalina fonosin'ireny ohabolan'ny Ntaolo ireny.
Ianareo angamba mihevitra hoe tsy ilaina intsony ny misaina lalina amin'izao fotoana izao.Amiko anefa, dia ilaina foana ny mamakafaka sy mandinika lalina na dia eo aza ny solosaina sy ny rindrankajy maro samihafa natao hisolo ny fisain'olombelona hanao izany.
Ny teknolojia tsy hendry velively fa natao hanaraka baiko sy rindra fotsiny izy ireny.Ny olombelona ihany no manam-panahy ka afaka mieritreritra satria efa voajanahary ho izany izy.
Hamaranako azy,hoy ny Ntaolo malagasy hoe "Ny hevitra tsy azo raha tsy amin'olombelona" ary ny "Hevitry ny maro mahataka-davitra", aza adino koa fa "Ny hevitra tera-bary, ka samy manana ny azy". Ny tiana ambara dia zava-dehibe tokoa ny "hevitra", ary ilaina foana ny maneho hevitra raha mbola misy olombelona miara-monina sy miara-belona amin'ny tena.

Koa mirary ny rehetra haneho ny heviny amin'ny tenin-drazany.